Want to create interactive content? It’s easy in Genially!

Get started free

MLG_M5S2_CS Indicators

UNSSC

Created on September 15, 2025

Start designing with a free template

Discover more than 1500 professional designs like these:

Blackboard Presentation

Genial Storytale Presentation

Historical Presentation

Psychedelic Presentation

Memories Presentation

Animated Chalkboard Presentation

Chalkboard Presentation

Transcript

ny tondro mailo amin’ny disadisa.

Hanomboka

Mpanoro hevitra

Loharano : Woodrow, Peter, Nick Oatley sy Michelle Garred (2017)

Ny fametrahana lohalaharana tafahoatra amin’ny fanatrarana tondro fahaiza-manao (indicateurs de performance) nefa tsy miraharaha ireo fomba hafa hahatsapana ny zava-misy sy ny fanehoan-kevitry ny mpandray anjara dia mety hitarika amin’ny fihena na faneriterena ny fomba fijery, ary amin’ny fifikirana hentitra amin’ny làlana iray efa voafaritra mialoha. Ankoatra izany, ny fampiasana tondro voafetra loatra dia tsy mahavita mandrefy tsara ireo voka-dratsy na vokatra tsy nampoizina ateraky ny tetikasa. Noho izany, tsara ny mamolavola tondro malefaka kokoa, izay manome famantarana na marika manampy amin’ny famakafakana vokatra tsy nampoizina na vokatra ivelan’ny vinavina. Toy izany koa, azo atao ny mamorona tondro izay mampiseho ireo loza ara-politika sy ny ezaka fanalefahana azy, mba hanaraha-maso ireo fiovan’ny toe-draharaha mety hisahana fiantraikany amin’ny asa na ny vokatra amin’ny tetikasa.

Manaraka

Ankoatra izany, ilaina ny mampiasa fomba hafa hanarahana sy handrefesana ireo vokatra tsara na ratsy tsy nahy nateraky ny fanatanterahana ny fandaharan’asa, mba hanampy amin’ny fahafantarana feno ny rafitra miovaova sy ny toe-javatra iasan’ny tetikasa. Ny fanombanana miovaova (évaluation évolutive), ny fomba fiasa “changement le plus significatif”, ary ny sarintany na fijinjana vokatra (cartographie/récolte des résultats) dia isan’ireo fomba mahomby hanangonana ireo karazana vaovao toy izany. Na dia ny fampiasana fotsiny aza ny dinika ifotony miaraka amin’ireo mpandray tombontsoa — amin’ny fomba misokatra sy tsy voafetra ny mpandray anjara — mba hijerena ireo fiovana hita taratra eny ifotony, dia efa fomba iray mahomby hahitana ireo fiovana tsy nampoizina na tsy nirina.

Hamerina